|
|
|
|

Entrée1  Teo amin' ny valsa
Mots élémentaires  2  t~, 3  eo, 4  amy, 5  valsa
Partie du discours  6  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  7  Littérature: poèmes
Auteur  8  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Texte complet  9  Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho
10  Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao
11  Ary azoko natao ny nioty anao an-taho
12  Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao.

13  Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao
14  Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia
15  Nefa tsy nioty aho ny itiavako anao
16  Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria,

17  Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko
18  Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko
19  Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria.

20  Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao
21  Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao
22  Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia.

Mis à jour le 2025/10/11